Fandriampahalemana

Ambovombe Androy Tafaverina ireo omby 285, dahalo miisa 3 no lavo


  • Alarobia 03 Jona 2020

Ny marainan'ny 01 jona lasa teo dia nisy andian-dahalo an-jatony tonga nanafika sy nangalatr’omby tao Ambohimalaza sy Ambitiky ary Sarisambo, samy any amin’ny distrikan’Ambovombe Androy.

 

 

 

 Rehefa izany dia niainga avy hatrany ny zandary tao an-toerana nanao fanarahan-dia sy vonjy taitra. Noho ny hamaroan'ireo dahalo anefa dia niara-nisalahy ireo zandary sy tafika avy ao anatin'ny Faritra Anosy sy Androy. Nohamafisina ihany koa ireo fiambenana kizo mety handalovan'ireo dahalo. Omaly talata 02 jona 20 dia nifanehatra tamin'ireo dahalo ireo mpitandro filaminana, tao amin'ny alabe Ampotaka, Vokany. tafaverina manontolo ny omby mitontaly 285 ka efa natolotra ny tompon’omby. Misy dahalo miisa 3 ihany koa lavo nandritra ny fifandonana raha tsy misy naninona ny mpitandro ny filaminana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT