AMBOROVY MAHAJANGA

Vehivavy bevohoka voaroba 1.200.000 Ar


  • Talata 14 Janoary 2025

Vehivavy bevohoka iray avy nivarotra, nitondra kodiaran-droa ny Alahady 12 Janoary lasa teo

no nisy nively hazo avy any aoriana tany Amborovy Mahajanga. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola versement mitentina 1.200.000 Ar maty nandritra ny tontolo andro raha araka ny loharanom-baovao azo. Olona sendra nandalo no nanavotra ilay Ramatoa izay efa nitsirara tamin’ny tany ary nitondra azy namonjy hopitaly. Mbola manaraka fitsaboana moa ity farany hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao. Voalaza ho tsy misy ahiana ny ain’ilay menaky ny ainy. Tokony ho tamin’ny 08 ora alina kosa no nitrangan’ny loza izay hanaovan’ireo mponina any an-toerana antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana. Diso mahazo vahana loatra mantsy ny tsy fandriampahalemana ao Mahajanga ao ka mitaintaina andro aman’alina izy ireo.
Pati
Legende : Tsy mandry fahalemana ny eto Mahajanga !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT