Ambongabe Tsararano

Mpandraharaha iray hita faty teny an-dalana


  • Alatsinainy 08 Janoary 2024

Lehilahy mpandraharaha iray monina ao Berivotra 5/5 Tsararano

no nisy nahita efa tsy nisy aina intsony sady mihosin-drà teo Ambongabe Tsararano ny sabotsy 6 janoary tamin'ny 8 ora maraina teo, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana (TTF: PF Tsararano). Potika tanteraka ny tarehin'io lehilahy io ary misy silaka eo amin'ny lohany havia ary nitarika ny ra very be taminy. Tsy nisy naka nefa ny moto nentiny fa mbola hita niaraka tamin'ny vatana mangatsika an'ity lehilahy ity. Araka ny fanadihadihana, niala maraina tao an-tranony toy ny mahazatra hande hanara-maso ny famboleny any Ambalalehibe Tsararano ny tenany no izao maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana izao. Nanao savahao ny manodidina ny zandary sy ny fokonolona taorian'ny tranga. Mitohy ny fanadihadihana. Efa tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitsabo tamin’iny fotoana iny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT