Fandriampahalemana

Ambondromamy Lehilahy iray maty novonoin’ny dahalo


  • Alarobia 20 Mey 2020

Niova filamatra tanteraka ireo dahalo any amin’iny distrikan’Ambondromamy iny amin’izao.

 

 

 

 

 Hatramin’ny tsy nisian’ireo taxi-brousse mandalo sy sakananin’izy ireo sy tafihiny telo aloha mantsy dia lasa ireo mponina no aripany. Tokantrano iray tao Ambondromamy no lasibatr’izany, ny herinandro lasa teo. Lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany avokoa ny fananana rehetra. Ankoatra izay dia mbola novonoiny ihany koa ilay Raim-pianakaviana mpitarika ny ankohonana. Notapahiny ny loha sy ny tananan’ity farany ka namoy ny ainy tsy fidiny izy. Raha ny fantatra hatrany anefa dia mbola kely anaka ity Raim-pianakaviana ity. Vao tapa-bolana monja ny zanany farany. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana ireo mponina any an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT