Ambolomadinika Toamasina

Mpitarika “cyclo-pousse” roa tratra nandrongony


  • Talata 12 Septambra 2023

lehilahy roa, 35 taona sy 30 taona, samy mpitarika "cyclo pousse" no tratra nidoroka zava-mahadomelina tao

Ambolomadinika ny alin'ny Alahady 10 Septambra lasa teo tokony ho tamin'ny 09 ora sy sasany. Isan'ny mampitaraina ny manodidina ny fanakorontanana hataon'izy mirahalahy ireto rehefa mamo izy ireo ka nanaovan'ny manodidina fitarainana teo anivon'ny Polisim-pirenena any an-toerana. Nisy araka izany ny fanaraha-maso nataon'ireo tompon'andraikitra ka nanaovana vela-pandrika ireto farany ary tratra tamin’io alina io. Teo am-pifohana rongony mihitsy izy ireo no tratra. Mbola nahatratrarana rongony hafa koa tany amin'izy ireo nandritra ny fisamborana azy. Hatolotra ny fitsarana anio Talata izy mirahalahy ireto.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT