Fandriampahalemana

Ambolitara Itaosy Tratra ilay rangahy mpivarotra sy mpamboly rongony


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Mirongatra ny fivarotana sy fifohana zava-mahadomelina eny Itaosy sy ny manodidina. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony ireo mandray izany no sady tsy hanavahana toerana intsony ihany koa ny hifohany izany.

Isaky ny elakelantrano na toerana mangina dia saika feno avokoa raha vantany vao maizimaizina ny andro. Nanao hetsika manokana ny Polisy avy ao amin'ny kaomisarian’ Itaosy noho izany. Lehilahy iray no voasambotra tao an-tranony teny Ambolitara Itaosy teo am-pivarotana rongony ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany maraina. Nahitana rongony 12 fonosana tao aminy. Rehefa nojeren'ny Polisy teo an-tokotaniny dia mbola nahitana rongony maromaro maniry miafina ao anaty tany nambolena mangahazo ihany koa. Nongotana avokoa ireo rongony novoleny ireo ary noentina teny amin'ny biraon'ny Polisy ity lehilahy ity niaraka tamin'ireo rongony ireo taorian’izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT