AMBOHITROMBY BONGOLAVA

Dadabe 66 taona tratra nanaparitaka vola sandoka


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Tena efa miseho amin’ny endriny maro mihitsy ny fitiavana te-hanambola sy hanan-karena ankehitriny.

Ankoatra ny halatra taolam-paty izay hatorian’ny sasany any am-pasana mihitsy arahin’ny halatra voamason’olona mbola velona dia mandeha tsy an-kiato ihany koa ny fanaovana vola sandoka. Dadabe iray efa 66 taona no tratra nanao izany ny faran’ny herinandro teo tao Anosibe, fokontany sy kaominina Ambohitromby, distrikan’i Fenoarivobe. Raha araka ny fantatra dia mpivarotra iray any an-toerana no voafitaka tamin'io vola sandoka io. Nampandre ny mpitandro ny filaminana ity farany noho izany ka natao ny fikarohana sy vela-pandrika. Mbola nahatrarana vola sandoka 20.000 Ar miisa 18 izay mitentina 360.000 Ar moa tany amin’ity dadabe ity nandritra ny fisavana azy. Mbola karohina ireo mpiray tsikombakomba sy mpamatsy fitaovana azy hahafahana mamongotra hatramin’ny fakany ireo mpanao vola sandoka any amin’iny faritra iny. Hiakatra fitsarana anio Alatsinainy 30 Oktobra ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay dadabe sy ireo vola sandoka tratra tany aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

  • Fanafihana
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

mitam-piadiana mpiasan'ny Jovenna

Hijery ny tohiny
FTT