Fandriampahalemana

Ambohitromby-Ambodirano, Ambatondrazaka Jiolahy iray no lavon’ny balan’ny zandary


  • Alarobia 10 Mey 2017

Mihetsika amin’ny fampandriana fahalemana ny tany any an-toerana ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro.

 Ravan’ny zandary miasa ao Vohidiala any Ambatondrazaka ny talata heriny teo ny andian-jiolahy nifanenjehana hatrany Ambohitromby-Ambodirano ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka.  Jilolahy iray izay efa anisan’ireo nokarohina am-bolana maro no matin’ny balan’ny zandary tao anatin’ny fanafihana tanàna iray nataon’izy ireo, iray hafa azo sambo-belona ary ny fahatelo kosa afa-nandositra. Azo ambara fa nahita vokatra tsara  tao anatin’ny iray volana, ny fari-piadidian’ny zandarimaria nasionaly ao Alaotra Mangoro, hatramin’izay nanampiana zandary 71 tao aminy izay. Nahasarona fitaovam-piadiana maro izy ireo tao amin’ny kaominin’Ambohijanahary raha vao nandray ny asany, nahatafaverina omby halatra maro ihany koa tao Amboivory sy Manakambahiny Est ary teratany Sri-Lankais 6 tsy nanara-dalàna no voasambotra tao Tanambe.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT