Fandriampahalemana

Ambohitriniandriana Anosikely - Ankazobe Lasa tanàna haolo, nitsoaka ny mponina


  • Talata 02 Aogositra 2022

Simba tanteraka ny asa fiharian'ireo mponina ao amin'ny tananan'Ambohitriniandriana Anosikely, distrikan'Ankazobe.

Taorian'ilay fandorana olona velona miisa 32 tany an-toerana ny faran'ny herinandro teo mantsy dia lasa maty lolo avokoa ny mponina ka tsy vitsy ireo lasa nifindra monina. Fianakaviana miisa 6 ireto lasibatra ireto, raha ankizy daholo kosa ny 15 tamin'ireo namoy ny ainy. Tohana mafy noho ity tranga ity noho izany ny fikambanana miaro ny zon'olombelona CNIDH izay nidina ifotony tany an-toerana. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa manana zo hiaina amim-pilaminana sy ao anatin'ny fandriampahalemana ny mponina ka tokony hojerena akaiky. Tsy azo ekena hoy izy ireo ny vono olona toy ny vono moka tahaka izao ka tokony hatao hazalambo hatrany ireo mpanao ratsy. Mbola karohina moa ny naman'ireo telo mianadahy ahihiana.
Nangonin'i Pati
Legende : Lasa haolo tahaka izao ilay tanàna
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT