Fandriampahalemana

Ambohitompoina Sarona ireo dahalo mpanadio omby halatra


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Nahazo vaovao avy amin’olona tsara sitrapo ny zandary avy ao amin’ny Poste Avancé Ambohitompoina Antanifotsy Kompania Ambatolampy ny 13 Jona teo fa misy ombilahy roa tsy mazava tazomin’olona ao amin’ny fokontany

 

 

 

 

Antamiana kaominina Ambohitompoina Distrikan’Antanifotsy. Nidina tany an-toerana ireo zandary notarihin’ny lehiben’ny toby ny 14 Jona teo nanamarina izany ka tratra noho ny fikarohana maty paika ireo omby ireo sy ny olona nitazona azy. Rehefa nosavaina ny taratasy dia fifanarahana fivarotan’omby tamin’ny datin’ny 05 sy 06 Aprily lasa teo no hita tany amin’ilay olona nitazona ireo omby izy misy ny mpivarotra avy ao Vohitrambo. Rehefa nantsoina anefa ireto roalahy mpivarotra dia nandà mafy fa tsy nivarotra omby tamin’io daty io. Nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana. Teo indrindra no tonga ny olona telolahy nitondra vola 500 000 Ar . Nolavin'ireo zandary mpanao famotorona io vola io izay tambin’ny hanajanonana ny fanenjehana ireo namotsy taratasin'omby halatra ka tsy hiakaran’ny raharaha eny amin’ny Fitsarana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT