Fandriampahalemana

Ambohipo Niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpamaky trano


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Lehilahy iray mpamaky trano no tratran’ny fokonolona namaky tranona mpianatra iray teny Ambohipo ny sabotsy maraina teo tamin’ny 06 ora, fotoana mbola fatorian’ireo olona sasany. Trano izay tsy nisy olona no novakiany tamin’izany.

 

 

 

  Raha araka ny fantatra mantsy dia tranona mpianatra lasa namonjy fodiana any Vohemar io nohararaotiny io. Teo am-pamoahana ireo entana rehetra tao an-trano ilay mpanao ratsy no tratra ka avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka. Vono, daroka, niampy tsindron’antsy no nahazo ity lehilahy nandritra izany ka ny polisy monisipaly tonga teny an-toerana no nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Lasa nitsaoka kosa ireo olona namono ity mpangalatra ity raha ny fantatra. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly moa ity farany ary efa tonga mikarakara azy eny amin’ny an-toerana ny fianakaviany. Hisokatra ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana aorian’ny fitsaboana hataony.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT