Ambohimena Ankadikely Ilafy

Jiolahy roa lavon’ny zandary


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

Jiolahy miisa roa no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana raha nikasa

hanao ny fanafihana mitam-basy tamina tokantrano iray teto amin’ny faritra Ambohimena, Fokontany Manazary, Kaominina Ankadikely-Ilafy afak’omaly 02 janoary 2024, tokony ho tamin’ny 09 ora alina, araka ny fampahafantarana nataon’ny Borigadin’ny zandarimaria Ankadikely. Jiolahy iray kosa no tafaporitsaka nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpitandron’ny filaminana sy ireo jiolahy izay nampiasa ny basy teny ampelan-tanany, ka nampahery vaika ny fifanandrinana nahalatsahana aina jiolahy roa. Mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana. Isaorana noho izany ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena eto Ankadikely sy ny « Poste Fixe Mandrosoa » izay niara-nisalahy ary tonga ara-potoana ka nadrava izao fikasan-dratsin’ireo jiolahy ireo izao ; tsy nisy ny entaana voaroba na vola lasa, tsy misy atahorana kosa ny fahasalaman’ny tompon-trano izay voaratran’ireo jiolahy, hoy ny fanamarinana.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT