AMBOHIMASINA

Fasana 3 indray no vaky


  • Talata 29 Aogositra 2023

Fasana miisa telo indray no fantatra fa nisy namaky tao amin'ny fokontany Ambohimasina, kaominina ambanivohitra Ambohimasina,

distrikan’Arivonimamo ny alin'ny Sabotsy 26 Aogositra lasa teo. Taolam-balo maherin'ny 20 isa no voakirakira nandritra izany ka lamba sisa no navelan'ireo jiolahy. Ankizy sendra nitsimpona taim’omby nandalo teny an-toerana tamin’ ny harivan'ny Alahady teo no nahatsikaritra izany ka nampandre ny manodidina, raha araka ny vaovao azo. Tsiahivina moa fa vao andro vitsy lasa ihany koa izay no nitrangana vaky fasana tany amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : izay marina no ambadik’ity vaky fasana ity ary hataon’izy ireo inona marina ireo taolana alainy? Misy mantsy ireo milaza fa hanafenana vovo-bolamena haondrana any ivelany…. izy ireny.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT