Ambohimasina Betafo

Voasoroka ny fanafina an-dry masera


  • Zoma 08 Septambra 2023

Jiolahy miisa 3 nitondra famaky sy kibay no tafiditra tao antokotan-dry masera tao Nandihizana fokontany sy kaominina Ambohimasina,

distrikan’i Betafo afak’omaly 06 Septambra tokony ho tamin’ny 06 ora sy fahefany hariva. Nihanika tamboho ireo jiolahy ireo. Ny mpanampin-dry masera no tratran'izy ireo tamin’izany ka nasainy namoha ny varavarana. Nanohitra ihany koa i Masera izay sendra nivoaka ka na voavelin'ny kibay aza izy mirahavavy dia voahidiny ny trano ary mbola afaka niantsoantso izy ireo. Naratra kely izy mirahavavy. Tsy ela dia vory ny olona ka raikitra ny fifanenjehana. Voasambotry ny fokonolona nandritra izany ny jiolahy iray raha tafatsoaka ny namany roa. Saika niova ho sinoa mainty ilay jiolahy voasambotra noho ny daroky ny fokonolona. Tonga haingana koa moa ny zandary 5 lahy avy any Inanatonana sy ny borigadin’iBetafo notarihin'ny CB ka natolotra azy ireo ilay jiolahy mba hanaovana fanadihadiana.
Pati
Legende : Ity ilay Jiolahy nivadika ho Sinoa mainty tratra nanafika andry masera !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT