AMBOHIMASINA ARIVONIMAMO

Fasana miisa 5 indray vaky, lamba sisa no navelan’ireo jiolahy


  • Zoma 03 Mey 2024

Nitrangana vaky fasana tao Ambohimamory, Fokontany Ankarenana,

kaominina ambanivohitra Ambohimasina, distrikan’Arivonimamo ny Alahady 28 Aprily lasa teo. Fasana miisa 5 no indray lasibatra tamin’izany raha araka ny vaovao azo. Dongon-tany ilay fasana iray. Nataon’ireo mpanao ratsy nahita faisana avokoa nandritra izany ireo razana miisa 84 tao anatiny ka ny lamba nifonosany sisa no navelany. Olona naka bozaka no voalaza fa nahita ity trangan-javatra mampalahelo ity. Nalazo mantsy ilay hazo naniry teo ambonin’ilay fasana ka gaga izy ireo. Rehefa ningainy izany dia fasana efa nidanadana no hitany ka nampandre ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izy ireo niampy ireo mponina tao an-tanana. Mbola tsy hita moa ireo nahavanon-doza hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Ny vovok’ireo razana sisa tavela kosa no nangonin’ny fokonolona natambatra tamina lambakely iray.
Pati
Legende : Ity ilay fasana vaky !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT