Ambohimanjaka Ambohidronono

Votsotra ilay sefom-pokontany nalaina an-keriny


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Notafihin'ny jiolahy tao Asafotra, Fokontany Ambohimanjaka Kaominina Ambohidronono

ny Talata 9 janoary 2024 alina, raha ny vaovao azo omaly. Nalain’ireo jiolahy manodidina ny 7 an-keriny natao takalon’aina nandritra izany ny lefitry ny Sefo Fokontany ao Ambohijanaka io. Ambohidronono dia Kaominina any amin’ny fizaran-tany mampisaraka ny Distrikan’i Moramanga amin’ny Distrika Anjozorobe, mifanila amin'i Mangamila. Raha ny vaovao farany moa, dia navotsony ilay olona nalaina an-keriny noho ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana, ka Ambatomarosofina tanàna tsy dia lavitra teo no votsotra, ary nisy ihany koa ny basin’ireo olon-dratsy azon’ny mpanenjika, raha ny vaovao vonjimaika. Misy ifandraisany amin’ireo mpaka an-keriny sy dahalo amin’ny faritra Anjozorobe sy Ankazobe izay vao avy namono ben’ny tanàna tany Andranomiely ihany ve ireto nanao fanafihana tany Ambohidronono ireto fa nikisaka noho ny fisian’ny fampandrian-tany ?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT