Fandriampahalemana

Ambohimangidy Ampitatafika Nahatrarana rongony rarany 212 kg


  • Talata 09 Mey 2023

Tena miparitaka ny zava-mahadomelina eto amintsika. Misy karazany maro izy ireny ka ho an’ireo rongony rarany ohatra dia lehilahy iray 44 taona

no sarona teny Ambohimangidy Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny 05 Mey lasa teo. Raha araka ny fantatra dia ity lehilahy iray ity mihitsy no mpambogady rongony eny amin’iny faritra iny ka ireo tanora tovolahy no tena mandray sy mividy izany. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ilay ranamana ity no nahafantarana fa raisiny avy amin'ny zanak'anabaviny izay mipetraka any Toliara ireto rongony ireto. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ilay ranamana. Eo an-dalam-pikarohana ilay anabaviny kosa ny mpitandro ny filaminana izay vinavinaina ho mety hamatsy rongony olon-kafa eto an-drenivohitra ihany koa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT