AMBOHIMANGAKELY

Maty voatifitry ny zandary teo am-pamakiana trano i RATSOA


  • Zoma 12 Janoary 2024

Maty voatifitry ny zandary androany maraina teny Amboromanina fokontany

Andranovao Ambohimangakely ny jiolahy raindahiny nantsoina hoe RATSOA. Olona tsara sitrapo no nampandre ny zandary avy Ambohimangakely raha nahatsikaritra zavatra hafahafa satria tazana ho nisy jiolahy niditra an-tranon’olona.Tsy tao an-toerana moa ny tompon-trano. Minisitra vitsy dia tonga ny zandary , voahodidina ny toerana. Nikasa hivoaka tampoka an-keriny avy ao ilay jiolahy ary nandrangaranga antsy be. Ny tifitry ny zandary no tonga aloha. Be loatra ny ra very ka namoy ny iny i Ratsoa. Efa in’efatra vaky ity trano saika nidirany ity tamin’ny taon-dasa . Fa androany izany dia i Ratsoa no tratra farany tao. Voalazan’ny zandary fa Jiolahy mirenireny tsy manana adiresy mazava ity voatifitra teny Ambohimangakely ity, efa in-telo niditra am-ponja. Fantatra fa Jiolahy mpanakan-dalana sady manendaka teny Ikianja, Ambohimahitsy, Mahazo, 67Ha, Ankadindramamy, Ambatomaro,..ary efa ela no nokarohin'ny zandarin’Ambohimangakely sy Soamanandrariny.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT