AMBOHIMANDROSO

AMBAVAHADITOKANA Omby lahy lehibe 2 nangalarina dia nalaina avokoa ny nofony


  • Alarobia 06 Aogositra 2025

Nitrangana toe-javatra mampalahelo teny amin'ny Fokontany Ambohimandroso,

kaominina Ambavahaditokana, distrikan'Atsimondrano ny faran'ny herinandro teo. Omby lahy roa lehibe efa mitarika sarety no fantatra fa nalain'ny dahalo tao am-balany ary nentiny niampita rano ka novonoiny ary nalainy avokoa ny nofony rehetra. Ny taolany sisa no hitan'ny fokonolona teny am-pitan'ny rano nony maraina izay marihina fa tena nadiodio tanteraka. Raha araka ny resaka nandeha teny an-toerana dia tsy nahare na inona na inona mihitsy ny tompon'omby nandritra ny fotoana nidiran'ny dahalo tao an-tananany. Ny maraina efa tsy nahita ireo omby tao am-bala intsony izy ireo vao nikoropaka saingy indrisy. Fantatra moa fa efa misy tambajotra mpangalatra sy mpamono ombin'olona tahaka izao mihitsy eny amin'iny faritra Atsimondrano iny. Miovaova ny toerana hanaovan'izy ireo ny asa ratsiny hoy ny vaovao koa hanaovana antso avo amin'ireo tompon'andraikitra voakasika. Efa mahatratra 5 tapitrisa Ar mantsy ny vidin'ny ombilahy lehibe iray amin'izao.
Pati
Légende : Tety amin'ity digy ity no nahitana ny taolan'ireo ombilahy miisa 2 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT