Fandriampahalemana

AMBOHIMANARINA Tra-tehaka ireo roa vavy mpivarotra rongony antsinjarany


  • Talata 30 Aprily 2019

Mpaninjara rongony roa vavy no voasambotry ny polisy miasa ao Ilanivato ny alahady 28 aprily teo teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny noho ny fivarotana zava-mahadomelina.

 

 

 

 

 Nanomboka ny  zoma 26 aprily  no naharay vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy miasa eny Ilanivato mikasika ny fisiana vehivavy mivarotra  rongony mipetraka eny amin’ny faritra Ankazomanga eny. Araka ny fampitam-baovao ofisialin’ny polisy, tratran’ny vela-pandrika teny akaikin’ny Galaxy Andraharo ny  vehivavy iray ka noraisim-potsiny teo am-pivarotana rongony ny alahady 28 aprily. Izy indray avy eo no nanoro ny vehivavy namany iray hafa. Ity farany dia nosamborina teny Tsaramasay Ankazomanga ny androtr’io ihany. Mbola nahatrarana fonosana rongony lehibe milanja  300 grama sy 6 fonosana kely  ihany koa tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana. Fantatra fa eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny ihany no akany ny entana. Vidiany 60.000Ariary ny lasaka kely iray ary amidy antsinjarany avy eo. Natolotra ny fampanoavana omaly alatsinainy 29 aprily ny raharaha. Efa maro ihany ireo tratra teny amin’ny faritra Ambohimanarina tamin’ity resaka trafika ity, saingy tovozin-tsy ritra noho ny tsy fahatrarana ny mpamatsy sy ny atidoha mpikotrika izany. Anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ity varoboba rongony mibanaka ity.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT