AMBOHIMANANDRAY MAHITSY

Nahitana sokatra 200 saika haondrana, maty ny 50 isa


  • Talata 18 Jona 2024

Sokatra miisa 200 be izao nofonosina tao anaty sachet plastika miloko mainty no saron’ny

zandary sy ny fokonolona tao amin’ny Fokontany Ambohimanandray, kaominina Mahitsy afak’omaly Alahady 16 Jona. Zandary sendra nanao fisafoana sy nijery ny tao an-tanana no nahitana tampoka azy ireo. Rehefa nojerena ireo sokatra ireo dia maty ny 50 isa vokatry ny hafanana be loatra nahazo azy tao anatin’ilay sachet plastika nitoerany. Raha ny tombana dia karazana sokatra saika haondrana ireto sokatra ireto saingy noho ny antony tsy fantatra dia tsy mbola nisy naka. Tombanana ho efa andro maromaro ihany koa no nahatongavany tao amin’ity Fokontany iray ity. Na izany aza efa misokatra ny fanadihadiana hataon’ny zandarimariam-pirenena koa andrasana izay mety ho tohiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fahitan’ny mpitandro ny filaminana ireo sokatra miisa 200 !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT