Fandriampahalemana

Ambohimanambola Nahazo fahafahana vonjimaika ireo nandroba mpivaro-kena


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Nahazo fahafahana vonjimaika ireo zatovo roalahy nanafika sy nandroba vola tao amin’ny mpivaro-kena iray teny Ampahimanga Ambohimanambola tamin’ny alahady 09 aogositra 2020 teo rehefa niakatra fampanoavana tamin’ny talata 11 aogositra teo.

 

Nosintonin’ilay tompon-tsena ny fitoriana azy mirahalahy ireto izay marihana fa mbola zatovo samy mbola vao handray 18 taona avokoa rehefa naverin’ny ray aman-drenin’izy ireo ny lelavola voarobany tao amin’ilay mpiandry ny tsena. Na izany aza dia tsy maintsy hitsarana azy ireo ny nampiasany antsy maranitra nanafihana ny mpiandry an’ity tsena ity ka amin’ny faha-22 aogositra izao no hitsarana azy ireo. Marihana fa samy tinaizan-dray kely miaraka amin-dreniny avy izy miralahy ireto fa efa samy nisara-bady avy ireo tena ray aman-dreniny.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT