Fandriampahalemana

Ambohimanambola-Anjeva Mpamaky trano sady mpanolana 5 no voasambotra


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Mijaly noho ny asan-jioalahy ireo mponina ao Ambohimanambola sy Anjevagara tao anatin’ny iray volana izay.

 

 

 Nahitana vaky trano niaro fanolanana mantsy tao Volomborona kaominina Anjevagara ny alin’ny 01 mey 2020 lasa teo. Jiolahy miisa 05 no nanatanteraka izany asa ratsy izany. Nihetsika ny mpitandro ny filaminana noho ny vaovao azo tamin’ny olona tsara sitra-po ka fantatra fa izy dimy lahy ireto avokoa no namaky ireo trano lasibatra sy nanolana ireo vehivavy roa. Tsena sy moto no may tamin’izany ary vola 14 tapitrisa Ar no lasan’izy ireo tao Volomborona. Vola 06 tapitrisa Ar sy vehivavy roa kosa voaolana ary olona iray no voapaka famaky sy naratra mafy vokatry ny fandalovan’ny bala tamin’ny vatany tao Ambohidrazana. Mbola misy namain’izy ireo tafatsoaka moa hoy ny vaovao ary manana basy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT