Ambohimalaza

Rava ny tambajotra mpangalatra kisoa


  • Alakamisy 07 Desambra 2023

Rava ny tambajotra iray lehibe mpangalatra kisoa ao Ambohimalaza.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny alin'ny 02 desambra lasa teo no nahazo antso avy tamin'olona tsara sitrapo ny zandary fa misy lehilahy maromaro mampiahiahy mijery ny manodidina ny tanana ao amin’ny Fokontany Ambohitremo Ambohimalaza. Nilanja enta-mavesatra anaty gony teny amin'ny toerana antsoina hoe : Andasy izy ireo.Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary rehefa nahazo io antso fanairana io ka kisoa lehibe miisa 02 no hita tao anatin'ny gony izay natsipin'ireo olon-dratsy nandritra ny fitsoahany ny zandary sy ny fokonolona. Jiolahy miisa 04 no voasambotra na dia niezaka ny nandositra aza.Fiara miisa 02 izay mpitondra ny jiolahy sy ny kisoa hangalariny kosa no sarona.Nisy ny mpivaro-kena mpaniraka, mpiray tsikombakomba voasambotra ihany koa teny Andravoahangy rehefa notohizana ny fanadihadiana ny ampitson'io. Toeram-piompiana lehibe moa no nanatanterahan'ireto olona ireto ny halatra ka 07 isa ireo kisoa nokasain'izy ireo nangalarina tamin’izany saingy noho ny antso azon'ny zandary dia tsy tanteraka sy voasoroka izany.Nopotehin’izy ireo mialoha ny jiro manazava io toeram-piompiana io izay saika hanaovany ny asa ratsiny. Niray tsikombakomba sy nandray anjara mivantana tamin'ny fanatanterahana ny asa ratsy ny mpiambina iray antsoina hoe izay namotika ny jiro sy namono ny kisoa. Miisa 07 ny olona voatazona vonjimaika eny am-ponja hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Legende : Efa eny Antanimora ireto tambajotra ireto amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT