AMBOHIJATOVO SY ISOTRY

Olona 22 no nosamborin’ny Polisy, vehivavy ny roa


  • Alarobia 26 Martsa 2025

Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena

hametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra eto amintsika. Olona miisa 4 no tratra ambodiomby nanendaka sy nangarom-paosy teny Anatihazo sy Isotry ary Ambohipo ny faran’ny herinandro teo ka vehivavy ny roa tamin’izany. Ny 1 voasambotra teny Mahazoarivo noho ny resaka vaky trano, 2 nosamborina noho ny fifohana rongony teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, 9 no nosamborina noho ny filokàna an-dalambe sady nanakotaba ny fiarahamonina, 5 nosamborina noho ny fanaovana fanamiana mitovy amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana. 14 taona no zandriny indrindra ary 41 taona no zokony indrindra. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy ireto farany nanaovana fanadihadiana. Mbola hitohy hatrany ny hetsika raha araka ny fantatra.
Pati
Legende : Ireto izy 22 mianadahy tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT