Fandriampahalemana

Ambohijatovo Lehilahy 58 taona, tratra nangaro-paosy


  • Zoma 17 Jona 2022

Lehilahy iray efa 58 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny UIR ( Unité d’intervention Rapide) ary natolotra ny SUT (Sureté Urbaine de Tana(SUT) afak’omaly alarobia 15 Jona.

Tratra am-bodiomby teo am-panaovana harom-paosy ity lehilahy lehibe ity. Tafiditra indrindra amin’ny hetsika famongorana ireo trangana tsy fandriam-pahalemana eny amin’ireo toby fiantsonan’ny fiara eto an-drenivohitra izao vokatra izao. Polisin’ny UIR nanao fanamiana sivily niambina teo amin’ny fiantsonan’ny fiara fitanteram-bahoaka teo Ambohijatovo no nahatsikaritra ny fisian’ity mpangalatra tratra ity. Mody misisika maka fiara izy saingy tsy miditra fa manararaotra ny fahabetsahan’ny olona mba hanaovana harom-paosy. Rehefa narahi-maso naharitra izy dia nosamborina rehefa tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro raha mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny. Natolotra ny SUT etsy Tsaralalàna avy hatrany izy hanaovana fanadihadiana. Niaiky ity lehilahy lehibe voasambotra ity fa harom-paosy no sisa hitany hamelomana ny tenany sy ny reniny tsy salama. Naiditra am-ponja vonjimaika omaly Ingahirainy rehefa avy nohenoina teo anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT