Fandriampahalemana

AMBOHIJAFY TOAMASINA Raim-pianankaviana novonoina teo imason’ny vady aman-janany


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

teo imason’ireo vady aman-janany tany Ambohijafy Toamasina ny faran’ny herinandro teo.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia notsenain'ireo jiolahy mirongo basy teny amin'ny lalana hody ho any aminy izy efa-mianaka ny Zoma 27 Septambra hariva teo. Avy hatrany dia notifirin’ireo jiolahy teo amin’ny fony ity Raim-pianakaviana ity vokatr’izany rehefa nantenainy hahazoana volabe. Teo imason’ireo vady aman-janany no nanaovany izany izay lasa horohoron-tsaina tsy mety maty ao anatin’ireto farany ankoatra ny ratram-po sy saina tsy maintsy zakain’izy ireo. Lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny vola madinika sahabo ho 5 000 Ar. Nojeren’izy ireo fotsiny kosa ilay moto nentin’Itompokolahy noho ilay kodiaran-droa tsy nety velona. Nalevina omaly Alahady moa Itompokolahy raha ny vaovao azo hatrany.
Pati
Legende : Ranomaso tahaka izao ny an’ireo vady aman-janak’Itompokolahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT