Fandriampahalemana

Ambohidroa Ambohimanarina Tratra ireo roalahy nanendaka zaza tsy ampy taona


  • Talata 19 Jolay 2022

Zazavavy kely tsy ampy taona 2 no nampisehoan’ny mpanendaka ny fahaiza-manaony ny 13 jolay lasa teo teny Ambohidroa Ambohimanarina.

Tokony ho tamin'ny 4ora hariva no nitrangan’izany, andro mbola tena mazavabe. Narahan' ireo mpanendaka avy aoriana izy roa vavy ary rehefa tonga tamin'ny toerana mangingina sy takotakona dia nohararaotiny. Natositosik'ireo olon-dratsy izy ireo ary namoaka antsy avy hatrany ireo mpanendaka. Nanambana sy nandrahona azy ireo ireto farany nandritra izany no sady naka ny zavatra teny am-pelatanany. Lasan'ireo tsy mataho-tody tamin'izany ny finday, casque audio ary ny vola teny amin'izy ireo.Lasa nitsoaka kosa izy ireo rehefa azo ny zavatra nilainy. Nampandre ny Polisy miasa ao amin'ny kaomisarian’ny CSP 6 Ambohimanarina ireo niharam-boina taorian’izany. Nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fitadiavana ireo nahavanon-doza ka noraisim-potsiny teny Ambohidroa izy roalahy ny ampitson’iny. Fantatra fa efa mpanao asa fanendahana sy sinto-mahery eny amin'iny faritra iny ireto tratra ireto. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy roalahy ireto taorian’ny niakarany teny anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT