Fandriampahalemana

AMBOHIDRATRIMO Lehilahy 4 tratra nangalatra gisa 5 sy gana 3


  • Alakamisy 02 Martsa 2023

Mirongatra ny hala-borona eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Saika ho isan’andro no hahazoan’ny zandary eny an-toerana fitarainana mifandraika amin’izany,

mpanao hala-botry izay marihina fa mahavita mamaky fisoko mihitsy. Lehilahy miisa 4 araka izany no sarona ny alin’ny 28 Febroary teo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina tao amin’ny Fokontany Fiakarana kaominina ambanivohitra Anosiala. Tompon-trano iray no nampandre ny zandary fa misy olona misikotra ny tranony tamin’io alina io. Raikitra ny fifanjevona sy ny fisamborana noho izany, antony nahatrarana azy efa-dahy ireto. Tratra teny amin’izy ireo nandritra izany ny gisa miisa 05 ary gana miisa 03. Niaiky ny heloka vitany izy efa-dahy ireto ary nilaza fa tsy vao sambany izy no nanao izao asa ratsy izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT