Ambohidratrimo

Fasana 3 no indray vaky, razana 24 no nanjavona


  • Talata 14 Novambra 2023

Mirongatra ny vaky fasana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

Fasana miisa 3 be izao indray no nisy namaky, tao Antanetibe fahatelo, vohitr’ Ampangabe, distrikan'Ambohidratrimo ny alin’ny Sabotsy teo. Razana manodidina ny 24 isa no fantatra fa voaroba sy voakirakira tamin’izany. Ny Fasana iray voalohany nahaverezana razana miisa 6, ny faharoa nahalasanana taolam-bato miisa 7 raha miisa 11 be izao kosa ireo lasibatra tao amin’ny fasana fahatelo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny fahavakisan'ireo fasana ireo izay efa nibanabana sy feno vovoka hafahafa teo am-baravarana ka niezaka ny nampandre ireo manam-pahefana haingana. Taorian'ny fanadihadiana nataon'ireo zandary dia noraisina ny fepetra rehetra ka nototorana avokoa ireo fanasana miisa telo ireo. Mbola nisy tsy nahafantatra izao trangan-javatra izao moa ny fianakavian’ireo efa maty sasany. Na izany aza efa misokatra ny fanadihadiana.
Pati
Legende : Mampihoron-koditra ny vaky fasana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT