Fandriampahalemana

Ambohidratrimo Dahalo roa no matin’ny zandary, tafaverina ny omby 10


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Naharay antso ny zandary ny alin’ny 20 desambra teo mikasika ny fisian'ny andian-dahalo nirongo basy naka omby miisa 15.

Avy hatrany dia nanara-dia sy nanao ny sakana rehetra izy ireo nandritra izany, tranga niseho tao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo.Rehefa nifanojo teo amin'ny kizon'ny Maroakanga anefa izy ireo dia raikitra ny fifandonana voalohany ary azo ny omby miisa 10, tranga nahalavoana dahalo iray niaraka tamin'ny basy.Nitohy ihany ny fifanenjehana ka raikitra indray ny fifandonana fanindroany teo amin'ny kizo an-tampon'i Mokony ka azo ny omby miisa 5 ambiny. Dahalo iray niaraka tamin'ny basy no tsy afaka hanohy ny asa ratsiny intsony koa vokatr’izany.Izany no tanteraka moa dia noho fiarahana miady sy mamongotra ny tsy fandriampahalemana ato anatin'ny distrikan'Ambohidratrimo izay hanaovan'ny zandary ao amin'ny zana-tombim-paritra Anjanadoria sy Avaratsena sahalemaka ary Merimandroso fanamby.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT