Ambohidrabiby

Miverina ny halatra sy fandrasana ireo ombin’olona


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Miverina indray ny halatra omby ao amin’ny Faritra Ambohidrabiby ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano,

izay tsy lavitra akory ny renivohitr’i Madagasikara. Lasibatra ny ombin’olona ao am-bala, ka tsy mandeha lavitra ireo olon-dratsy fa rasainy tsy miala lavitra ny tanàna. Taolana sy tongony, ary ny lohany sy ireo taovany sisa ajanon’ireo tsivalahara, fa ny nofony dia tena kaohiny tanteraka. Vao tamin’ity herinandro ity izao no nisy ombivavy iray bevohoka efa ho teraka lasibatra tsy nananan’ireo tsivalahara hantra. Tsy ny omby ihany, fa alain’ireo jiolahy ihany koa ny kisoa, raha ny fanamarihana. « Miantso antsika vahoaka eto Ambohidrabiby mba samy ho mailo fa manomboka indray ny halatra Omby sy kisoa . Ombivavy bevohoka efa ho teraka indray no lasibatra teto Ambodifahitra. Hanohy ny ezaka amin'ny fanaovana fisafoana na "patrouille" amin'ny alina ny Ben'ny tanàna sy ekipan'ny Kaominina fa entanina mba samy ho mailo bebe kokoa sy hanao Andrimaso ny vahoaka isam-bohitra. Na izany aza mirary ny rehetra mba samy hiaina anaty fifaliana, araka izay eo ampelan-tànana, amin'izao fety izao. », hoy ny ben’ny tanàna Pasitera Lazasoa Rivondrabevala Rakotondranaivo tao amin’ny pejin-tseraserany. Tsy ao Ambohidrabiby ihany, fa betsaka ireo toerana isehoan’io tranga fangalarana omby sy fandrasana azy tsy lavitry ny tanàna io, ka anisan’ny mikolay mafy ny ao amin’ny Faritra Vakiniadiana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT