AMBOHIDEHILAHY AMBOHIMANGAKELY

Jiolahy 2 sy entana halatra maro tratra tao anaty trano rava


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Nitrangana vaky trano tao Ambohidehilahy Kaominina Ambohimangakely ny herinandro teo.

Nidina ifotony ny zandary ka nahatsikaritra trano rava sy foana sady haolo teo amin'ny manodidina.Nosavain'ny zandary ity trano ity ka sarona teo am-pifohana rongony ny tovolahy anankiroa. Sarona tao anatin'io trano rava io koa ny sombintsombiny amin'ny karazana entana azo tamin'ny halatra, miampy vovoka rongony 300 grama. Groupe motopompe roa no very tao anatin'ilay trano vaky raha tsiahivina izay fantatra fa hita teo akaikin'io trano rava io ny diany, ary ireo tapatapaka tuyau koa mbola tao anaty trano. Nanondro namana telo hafa izy roalahy vokatr’izany.Ireo mponina teny amin’ny manodidina moa dia nanamafy fa tena jiolahy mpamaky trano izy ireo ary nisy nahita ihany koa ny nitondran'izy ireo ilay groupe very sy boatin-doko iray. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ny 4 tamin’izy ireo raha nahazo fahafahana kosa ny iray.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT