AMBOHIDAVA AMBATOLAMPY

Nisehoana vaky fasana, razana lena iray sisa tavela


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Nitrangana vaky fasana tany Ambohidava, Ambatolampy Tsimahafotsy ny alin'ny

Alatsinainy 05 Febroary lasa teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia razana iray sisa no navelan’ireo tsy mataho-tody tao am-pasana fa ny ankoatra izay dia lasan’izy ireo avokoa. Tombanana ho razana mbola lena ity najanon’izy ireo ity ka nanahirana azy ny fofony sy ny fangalany ny taolany hoy ireo mponina. Velon-taraina mafy ireo fianakavian’ny maty vokatr’izany. Razana maromaro mantsy no fantatra fa nilevina tao amin’io fasana io ka anisan’izany ireo razambe. Indrisy anefa fa tsy misy azo hatao intsony. Mangataka ny hijeren’ny Fitondram-panjakana akaiky ny trangana tsy fandriampahalemana tahaka izao eto amintsika araka izany izy ireo. Na ny maty na ny velona mantsy dia samy tsy avelan’ireo jiolahy hanam-piadianana fa hanehoany ny haratsiam-panahiny avokoa, izay miseho amin’ny endriny maro samihafa. Fasana ambanin’ny tany moa ity nisy namaky ity raha olona sendra nandalo kosa no nahita ny fahavakisany ka nampandre ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Ity ilay fasana vaky !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT