AMBOHIBE ILAFY

Jiolahy nanomana fanafihana, maty voatifitra ny 03


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Jiolahy nanomana fanafihana mitam-piadiana miisa 03 no maty voatifitry ny polisin'ny USI afak’omaly Talata 23 jolay teny Ambohibe Ilafy. Efa-dahy izy ireo no nikononkonona io fanafihana io teny an-toerana saingy efa naharay angom-baovao mialoha ny Polisy. Natao ny vela - pandrika ka raikitra ny fifanjevoana. Maty voatifitra ny telo tamin'ireto jiolahy ireto ary mbola karohina ny iray hafa. Mpamerin- keloka amin’ny resaka halatra mitam-piadiana ny roa amin'izy ireo hoy ny vaovao. Nogiazana avy hatrany moa ny fitaovam- piadiana nampiasain’izy telolahy toy ny basy miisa 02 miaraka amin’ny bala miisa 04.
Pati
Legende : Ireo jiolahy lavo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT