AMBOHIBARY ANTSIRABE

Dahalo efa voasambotra maty teo am-pitsoahana


  • Talata 10 Oktobra 2023

Dahalo roalahy , mirongo fiadiana indray no saika hamoaka omby am-bala tao Antsira, fokontany sy Kaominina Antsoatany Antsirabe II.

Ny 08 Oktobra lasa teo tokony ho tamin'ny 11 ora alina no nitrangan’izany. Tratran'ny fokonolona am-bodiomby ny iray vokatr’izany raha tafatsoaka kosa ny iray. Natolotra ny zandary ity dahalo tratra ity sy ilay antsy kalazabe maranitra nampiasainy. Raha vantany vao maraina anefa ny andro dia nentina tamin’ny moto izy mba hanoro ny toerana misy ilay namany. Tsy tongan'ny fiara ilay toerana ary izy irery ihany, hono, no mahita ny misy azy. Nanararaotra niporitsaka anefa izy raha nahazo toerana malalaka ka voatery nitifitra ny zandary. Voatery nandao ity tany feno fahasambarana ity ilay dahalo kely vokatr’izany rehefa voamarin'ny dokotera fa nahazo tapakila mandroso tsy miverina ho any amin'ny varo_tsy_mifody. Nalevin’ny fokonolona izy taorian’izany.
Pati

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT