AMBOHIBARY ANJOZOROBE

Olona 4 indray no nalain'ny dahalo an-keriny


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Nidiran’ny dahalo an-keriny ny tananan’i Vohitsara, kaominina Ambohibary Vohilena Anjozorobe

ny Sabotsy 16 desambra alina lasa teo. Basy fitondra miady izay voalaza fa tena mahery vaika tokoa no nampiasain’ireo tsy mataho-tody nandritra izany ka tokantrano roa no nidiran’izy ireo. Nanohitra ny iray tamin'ireo tompon- trano ka novonoin'izy ireo ho faty. Ankoatra io aina iray efa nafoy io dia olona miisa 4 izay ahitana vehivavy no nalain’izy ireo an-keriny tao amin’ilay trano ary mbola tsy nisy hita hatramin’ny omaly Alahady hariva fotoana nanoratanay. Ny mahavariana ny maro tamin’ ity tranga ity dia tanàna ambenana miaramila io tanànan'i Vohitsara Anjozorobe io. Tsy nisy hita anefa ireo miaramila ireo tamin’ny alina nitrangan’ny fakana an-keriny io, hoy ny loharanom-baova azo. Ireo zandary avy ao amin'ny vondron- tobim- paritra Imerina Centrale no tonga nanavotra ireo mponina sy manao ny fanarahan-dia amin’izao fotoana izao. Andrasana izay mety ho tohin’ny tantara. Pati
Sary indrana : Tsy mety milamina mihitsy ny tananan’Anjozorobe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT