Fandriampahalemana

Ambohibarikely – Anosibe Tokantrano iray notafihana bokonozatra 5 lahy


  • Zoma 18 Novambra 2022

Tsy mifidy ora hanafihana intsony amin’izao ireo jiolahy eto an-drenivohitra. Andro vitsy lasa izay dia tokantrano iray tsy nanam-po na inona na inona no notafihina jiolahy tsy latsaky ny dimy lahy tetsy Ambohibarikely Anosibe.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia bokonozatra be avokoa ireo dimy lahy ireo no sady nitondra fitaovam-piadiana toy ny antsy…. Toy ireny nisy nitarika ireny izy ireo hoy ny vaovao fa avy hatrany dia nahita lalana niazo ilay tokantrano lasibatra na dia somary miditra elakelantranobe aza ilay toerana. Tsy nijanona teo ny tantara fa niditra izy ireo dia nandroba saingy afaka niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany ny tompon-trano. Raikitra ny fifanjevona nandritra izany ka tafaporitsaka ireo jiolahy. Ny nanamafy ny hidin-tranony kosa no nataon’ireo manodidina noho ny tahony. Vao tamin’ny 07 ora hariva rahateo no nitrangan’ilay fanafihana ka tsy vitsy ireo niantso ny zanany, ny anadahiny….mbola taraiky tany ivelany tany. Marihina moa fa ankoatra an’i Namontana sy 67 ha dia tafiditra ao anatin’ny faritra mena ihany koa ny eny Ambohibarikely Anosibe amin’izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT