Fandriampahalemana

Ambohibao Atsimo Azo hatao maodely amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Azo hatao maodely amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny kaominina ambanivohitra Ambohibao Atsimo,

 

distrikan’i Manjakandriana. Manana ilay fomba fiasa mampiasa “boite noire” mantsy ny kaominina raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Bariniaina Fidy. Ao anatin’izany ny isan-tokantrano no mandrotsaka ny anaran’ireo olona mety ahiahiana ao an-tanana hanao ratsy ka raha sanatria misy anaran’olona miverimberina dia arahin’ny mpitandro ny filaminana maso avy hatrany izy ireny. Betsaka ireo lasa natahotra noho izany, antony nanafoana tsikelikely ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Na izany aza dia nambaran’ity Ben’ny tanàna iray ity fa misy ihany ny hala-botry saingy tsy betsaka. Mahatsiaro ho milamina ny ankamaroan’ny mponina noho izany. Azo hatao maodely tsara araka izany ity kaominina ity ho an’ireo kaominina namany hafa manerana ny Nosy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT