Fandriampahalemana

Ambodivoanjo -Tanjombato Vehivavy iray voaendaka 700.000 Ar vao maraina


  • Zoma 12 Martsa 2021

Vehivavy iray no nisy nanendaka teny Ambodivoanjo Tanjombato ny marainan’ny 15 febroary

 

 

 

lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina. Vehivavy handeha haka entana hamidy izy io raha araka ny fantatra ka very tamin’izany ny lelavola 700 000 Ar. Araka ny fitantaran’ilay vehivavy dia dimy lahy izy ireo no niaraka nanao izany asa ratsy izany. Mody mibaby kitapo toy ireny olona handeha hiasa ireny izy ireo. Rehefa nifanena tamin’ilay vehivavy anefa izy ireo dia namoaka antsy ny roalahy. Noho ny hery tsy mitovy anefa dia tsy sahy nanohitra ilay vehivavy. Na izany aza nitory izy ka saron’ny polisin’i Tanjombato afak’omaly ny telolahy tamin’izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny niakarany teny anivon’ny fampanoavana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT