Fandriampahalemana

Amboditsiry Tratra ireo mpanendaka mpambotry fiaraha-monina


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Mpianatra iray hamonjy fodiana no nendahina mpanendaka miisa 03 teny Amboditsiry ka lasa tamin'izany ny finday niaraka tamin’ny valizy izay nisy antontan-taratasy maro mahakasika ny fianarany sy vatsy izay nomen’ny Ray aman-dreniny azy.

 

 

 

Tsy nisalasala ity mpianatra ity nanatona ny kaomisarian' ny boriborintany fahavalo ka nandray andraikitra avy hatrany ny polisy nanokatra fanadihadiana. 2 andro taorian'ny fanendahana dia voajonon'ny polisy teny bemasoandro Itaosy ny lehilahy miisa 05 izay fantatra fa mpandray ireo entana halatra . Ny ampitson'io indray dia tra-tehaka ihany koa ireo lehilahy miisa 02 antsoina hoe Tex sy Mahagaga izay nanao ny asa fanendahana raha tafaporitsaka kosa ny jiolahy iray niaraka tamin'izy ireo. Tsy afaka nankaiza ity jiolahy iray ity fa dia tratran'ny polisy ihany koa iray andro taorian'ny nahazoana an'i Tex sy Mahagaga. I Mahagaga moa dia efa fantatra tamin’ny raharaha fanafihana sinoa teny Amboditsiry roa taona lasa izay. Efa tafaverina amin'ny tompony avokoa moa ireo entana lasan'ireto mpanendaka ireto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT