Fandriampahalemana

Ambodirano Ampefiloha Nosavoritahan’ny mpanendaka izy mianaka, lasa ny 50.000 Ar


  • Talata 02 Febroary 2021

Lehilahy iray 25 taona no tratra nanendaka teny Ambodirano Ampefiloha ny 30 janoary lasa teo.

 

 


Olona mianaka nitsofoka teo amin’ny étoile rouge no narahan’ity lehilahy ity avy any aoriana . Nisavoritahan’ ilay mpanendaka izy ireo ka lasany tamin’izany ny vola 50.000Ariary sy ny finday marika « techno ». Niantso vonjy ilay niharam-boina ; nanampy ihany koa ny manodidina no sady nisy niantso polisy ka noraisim-potsiny ilay tovolahy. Nentina avy hatrany eny amin’ny paositry ny Polisy Ilanivato nanaovana fanadihadiana. Efa nigadra teny amin’ny fonjan’ Antanimora ity tovolahy ity tamin’ny taona 2020 noho ny resaka halatra toy izao ihany. Andavamamba, Ambodirano Ampefiloha , Anosipatrana ny toerana fanaovany ny asa ratsy ary tsy mifidy fotoana. Natolotra ny fampanoavana omaly moa izy ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT