Fandriampahalemana

AMBODIRANO AMPEFILOHA Mifoka roro vao manendaka ireo jiolahy, 3 no tratra


  • Talata 23 Aogositra 2022

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny PPA 3 Ilanivato ny tovolahy miisa 3 izay mpanendaka eny amin'iny faritra Ampefiloha Ambodirano Etoile rouge iny ny 20 Aogositra lasa teo.

Ny 19 agositra 2022 tamin'ny 5ora maraina raha tsiahivina dia mpiasan’ny haino aman-jery niandry fiara karetsaka teo amin'io toerana no notilitilian’izy telolahy ireto. Tsikaritr'izy ireo fa nilalao finday izy tamin’izany ka nanatonan'izy ireo avy hatrany. Ny iray tamin'izy ireo nanosika, ny faharoa naka ny finday ary ny iray ambiny kosa nanambana antsy no sady nandrahona ny hanomezany ny vola sy ny finday teny aminy. Lasan’ izy ireo tamin'izany ny finday sy vola mitentina 900. 000 Ar tao anaty porte feuille. Nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa azony izay nilainy. Nifampizaran’izy ireo ilay vola , ny finday kosa namidiny. Niezaka ny nikaroka azy ireo ny polisy nandritra izany ka tamin’io 20 Aogositra io no tratra ny iray. Fantatr’ilay niharam-boina ny endrika amam-bikan’ ireo nahavanon-doza, ka mora ho an’ny polisy ny namantatra azy. Nanolo-tena kosa ny roa tamin'izy ireo. Eny amin'iny faritra Etoile rouge sy CENAM ary garazy iny no toerana fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny .Tsy mifidy izy ireo amin’izany fa izay mifanehitra aminy dia endahiny avokoa. Nandritra ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa mitsindrona zava-mahadomelina izy ireo ary mahalany roro iray isan’andro. 22 taona no lehibe indrindra amin’izy ireo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT