AMBODIRANO AMPARAFARAVOLA

Raim-pianakaviana roa lasan’ny mpaka an-keriny


  • Zoma 07 Jona 2024

Raim-pianakaviana miisa roa afak’omaly Alarobia 05 Jona teo anelanelan’ny tamin’ny 10

ka hatramin’ny 11 ora alina no nisy naka an-keriny tany Ambodirano Amparafaravola. Raha araka ny vaovao azo dia olon-kafa no saika nalain’ireo mpaka an-keriny tamin’io fotoana io. Tsy hitany tampoka anefa izany ka izy roalahy ireto no indray noraofiny. Mpamily fiara miasa amin’ny fitaterana olona mampitohy an’ Amparafavola sy Antananarivo ny iray saingy nandalo tany an-toerana mba hikarakara vokatra. Ny iray kosa niambina vary tany an-tsaha ka tafaraka izy roalahy ireo. Tsy maintsy ambenana mantsy ny vary any an-toerana amin’izao noho ny firongatry ny mpangalatra.Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratany dia mbola tsy nanehoana fitakiam-bola tamin’ny fianakaviana ireo mpaka an-keriny. Tsiahivina moa fa mahazo vahana any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny rehefa fotoanan’ny voka-bary tahaka izao ny fakana an-keriny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT