Fandriampahalemana

Ambodin’Isotry sy Ampasampito Tratra ambodiomby ireo mpangalatra finday


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Tao anatin'ny andro vitsy izay dia saika nahatratra mpangarom-paosy sy mpanendaka finday hatrany ny Polisim-pirenena.

 Nisy ny tra-tehaky ny Polisy nanao fanamiana sivily tetsy ambodin'Isotry rehefa avy nifanenjehana ka efa tafaverina amin'ny tompony ny finday izay nangalariny. Tao ny tratra nanendaka avy teny Ampasampito ka noraisim-potsiny. Ny sasany kosa mpanangona finday halatra saika hamidy mora ka sendran'ny mpitandro ny filaminana ary dia izao voasambotra izao. Tsy misy toerana izay tsy ahitana azy ireny eto an-drenivohitra. Ny an’ny sasany aza moa hamidy amin’ny facebook mihitsy nefa finday halatra. Ny fanaraha-maso no mila hamafisina araka izany eto amintsika. Mbola goragora rahateo izany antony ireo jiolahy hanohy hatrany ny asa ratsiny. Ny asa hataony rahateo tsy misy.
Pati
Legende : Ireo mpangalatra finday tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT