Fandriampahalemana

Ambodin’Isotry Mitsindrona rongony ireo mpamaky trano


  • Talata 17 Aogositra 2021

Lehilahy miisa 4 nikasa hamaky trano teny amin’iny faritry ny EPP Ambodin’Isotry iny no saron’ny mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily ny 14 aogositra lasa teo.

 Rehefa nosavaina izy ireo dia mbola tratra teny aminy ny antsy lava lela iray sy « seringue » iray fampiasain’izy ireo hitsindromana rongony ; izay mahery vaika kokoa fa tsy tahaka ny rongony fohana ary tena mahatonga olona iray hahavita zavatra mety tsy fanaony. Raha araka ny fantatra dia efa mpamerin-keloka izy efa-dahy ireto. Ankoatra ny asa famakian-trano tahaka izao dia mahavita manendaka ihany koa izy ireo ka ireo elakelan-trano rehefa sendra azy dia hanaovany ny asa ratsiny avokoa. Omaly alatsinainy ihany koa no natolotra ny fitsarana izy ireo ary fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT