AMBODINISOTRY

Jiolahy gaigilahy lavon'ny balan'ny polisy


  • Alakamisy 05 Martsa 2026

Mpanendaka iray no

lavon'ny balan'ny Polisy teny Ambodin’Isotry Cité, omaly Alarobia 04 Febroary atoandro. Araka ny fantatra dia efa tena hikoizana amin'ny fanendahana amin'iny faritra iny sy ny manodidina izy ary efa nokarohin'ny Polisy. Avy nanendaka tovolahy kely mpianatra izy ny maraina ary nanaovan'ny Polisin'ny Kaomisaria Isotry velam-pandrika ka nisy ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily mba hisambotra azy. Tazana teny Ambodin'isotry tokoa izy omaly atoandro saingy rehefa hisambotra azy ireo Polisy dia tafaporitsaka tanaty elakelan-trano indray ity jiolahy ity. Raikitra ny fifanenjehana ka rehefa tapi-dalankaleha izy dia namoaka antsy maranitra hamelezana ireo Polisy nanenjika azy. Niaro tena noho izany ny Polisy ka maty vokatry ny ratra nahazo azy tamin'ny tifitra niantefa taminy ity mpanendaka ity. Mbola hita teny amin'ny kitapo nentiny ny finday roa avy nangalarina sy entana maromaro ary karapanondrom-pirenen'ilay tovolahy lasibatra tamin'ny fanendahana nataony.Mbola misy namany karohin'ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’Isotry ka miantso ny rehetra tsy hisalasala hitoroka an'ireo olon-dratsy anaty fiaraha-monina.
Pati
Légende : Ity ilay jiolahy voantso tampoka any amin'ny varo tsy mifody !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT