Fandriampahalemana

Ambodimita Jenjin’ny big boss n’ny mpanendaka ilay Ramatoa


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Manaraka olona hatrany anaty taxi-be miaraka amin’ny big-boss sy antsy maranitra ireo olon-dratsy mpanendaka eny Ambohimanarina eny ary mandositra amin'ny moto rehefa avy eo .

Tratran'ny polisy tetsy ambodimita ireo roalahy havanana amin’izany omaly. Niditra tao taxi-be teo Ivandry izy ireo ramatoa iray nitondra poketra . Niala teo Ambodimita ity farany ka indrindra teo no nararaotin'ilay mpanendaka nisintonana ny poketran’ilay Ramatoa. Tsy voasinton' ity mpanendaka anefa ilay poketra fa voatazon'ilay ramatoa mafy ka notifirin'ilay olon-dratsy tamin’ny "big boss" ny mason'ilay ramatoa ary voatery namotsotra ilay poketrany ity farany. Efa voaomana ilay fanendahana raha araka ny fantatra ary efa nisy moto tonga naka an'ilay mpanendaka hitondra azy handositra avy eo . Nisy polisy tsy lavitra nahita ilay tranga ary tonga namonjy ilay ramatoa. Mbola tratra teny amin’ilay mpanendaka sy ilay moto nitondra azy moa ilay antsy sy ny big boss ary rongony hampiasain'izy ireo amin'ny asa ratsy izay fanaony.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy, mpanendaka ny iray raha nitondra moto ny iray
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT