Ambodilazana, Toamasina II

Ramatoa 52 taona, naolana lehilahy 20 taona


  • Talata 20 Mey 2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

tokony ho tamin’ny 6 ora sy 20 minitra, an-dalana tao Ambodielana, akaiky Sarilenta, raha ny fampitam-baovao voaray. Handeha hanatitra vatsin'ny zanany faralahy izay hiatrika «CEPE Blanc» ao Ambodimanga izy izao niharan'ny hetraketraka izao. Nifanena tamina lehilahy iray izay 20 taona eo ho eo izy. Vao nahita azy ilay lehilahy dia nametraka entana ary nanenjika azy avy hatrany. Hery tsy mitovy moa ka tsy lasa lavitra dia tratrany ilay ramatoa. Nokaikeriny ny sofina iray ka niala mihitsy. Nokaikeriny ny tarehiny. Naolany avy eo. Efa voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza. Efa nentina ao Toamasina kosa ilay ramatoabe, izay tena voa mafy tokoa, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija Sary indrana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT