Fandriampahalemana

Ambodifilao Zazavavy kely iray nisy naka an-keriny


  • Zoma 18 Aogositra 2017

Nitrangana toe-javatra nampalahelo teny Ambodifilao afak’omaly Alarobia hariva.

 

 Renim-pianakaviana iray nitondra ny zanany handeha hiantsena no lasibatry ny fakana an-keriny tampoka ka saika niraoka ahitra mihitsy. Vao folo taona monja io zanany vavy nisy naka an-keriny io.  Nofaohana fiara mazda iray sendra nandalo ilay zaza izay fantatra fa efa nisoka-baravarana hatrany amin’ny toerana niaingany.  Izy mianaka kosa teo an-daniny tsy nanam-po na inona na inona fa nandeha an-tongotra toy ny mpiantsena rehetra. Rehefa tonga teo anoloan”izy ireo anefa ilay Mazda dia  nisy lehilahy roa matanjaka nipoitra tampoka nandrirotra ilay  tsy manan-tsiny. Avy any Andohananalakely  hihazo an’i Soarano io fiara mazda  io. Nihazakazaka nanenjika ilay fiara sady nikiakiaka mafy niantso vonjy ilay renim-piankavina sy ireo mpivarotra  nangoraka azy saingy tafatsoaka ihany ilay fiara. Tsy mbola  hita popoka moa io zazavavy kely io hatramin’ny omaly hariva. Lasa mandry tsy lavo loha avokoa  ireo mpiantsena eny Ambodifilao sy ny manodidina. Tsy mijanona amin’ny asa fanendahana sy ny fanaovana sinto-mahery intsony mantsy ireo mpanao ratsy fa efa mirona amin’ny fakana an-keriny ihany koa.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT